Entrée | 1 Ilay ony |
Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
Mots élémentaires | 3 ilay, ony |
Vocabulaire | 4 Littérature: poèmes |
Auteur |
5 Rafanoharana |
Texte complet |
6 Variana ny masoko, gaga ny saiko, 7 Mahita'ty ony mandalo tanàna: 8 Milamim-pisosa toa efa voabaiko, 9 Manatona ihany an'ilay fiafarana. 10 Ny onja madinika, indreny misangy, 11 Toa ondry aman'osy mifalihavanja; 12 Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby 13 Mirona malako fa mana-mpilanja. 14 Ilaozako anefa'lay toerako teo, 15 'Ty ony malaza arahiko an-kiry: 16 Injany any erà ô! henoko feo, 17 Dia feo mahatahotra, feo makadiry! 18 Tsy ela dia hitako eo anoloako. 19 'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany; 20 Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako, 21 mamorona avana kanto aoka izany! 22 Miorika ihany hatrany hatrany, 23 Tsy miato ny diako manaraka ny ony 24 Satria te-hahita izay fiandohany, 25 'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony, 26 Dia iny'lay ony mihena, mihena, 27 Mihena miandalana sy mihakely; 28 Tanety vakiny - endre! raha jerena, 29 Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " . 30 Ny omby aman'ondry darofan'ny andro, 31 Indreo fa misotro, mimà dia mitraka; 32 Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro 33 (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka) 34 Mihena tsy hitan'ny masoko intsony 35 Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga: 36 Endrey! zary tatatra manko ilay ony, 37 Dia tatatra kely toa mena-mitranga ! 38 Dia hitako farany'lay loharano 39 Miboika dia miboika ambanin'ny vato; 40 Ny vato mivoaka eo manganohano; 41 Miboika dia lasa, mandeha tsy miato. 42 Indreny ny vorona, ireo voron'ala, 43 Misotro, variana, dia miara-mikalo 44 Miadam-pinaritra, tsy salasala, 45 Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo. 46 Mandeha ny saiko mihevitra izany: 47 Nahoana aho re no kivy mazàna? 48 'Lay ony kanefa he'ty fiandohany 49 Mba kely ny bitika saro-jahana. 50 Ry foko, mionona ka aza tomany; 51 Raha toa mavomavo tsy fantatra akory, 52 lanaro ny ony, mitombo hatrany; 53 Ho resy miandalana ny andro mahory! |
Mis à jour le 2025/09/13 |
![]() |